1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe*: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.[Na: Misy filazana ny ao am-pon'ny ratsy fanahy manao hoe:]

2 Fa miarahaba tena izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.

3 Ny tenin'ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.

4 Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.

5 Jehovah , mipaka amin'ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.

6 Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo*; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ,[Heb: tendrombohitr'Andriamanitra]

7 Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.

8 Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.

9 Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.

10 Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo.

11 Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.

12 Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
